Entrée | 1 Ilay dobo |
Mots élémentaires | 2 ilay, 3 dobo |
Partie du discours | 4 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Vocabulaire | 5 Littérature: poèmes |
Auteur |
6 Razafintsalama Josefa |
Texte complet |
7 Ny dobo kelinay moa ka soa dia soa tokoa: 8 ny morony tontolo, zozoro manga taho; 9 anivony, tatamo mivela-bony soa; 10 ny tsara sy ny meva samy eo no mifamaho 11 He! dobo tsara rano, tiam-borona hisosana; 12 ny arosy vory sanga, tonga eo hisahosaho; 13 tsiriry sy angaka mankeo mba hikorana; 14 vivy no miria eo fa miery tsimilaho. 15 He! dobo tsara loatra, mamelombelona aina, 16 fa laokan-drano maro no ao mihahohaho: 17 amalona sy trondro, mangata-koalaina; 18 ny patsa dia mihaika ny tanan-tsy mivaho; 19 tsindrahaka mitady izay olona mpitia; 20 irony ondrindrano, antsirina aman-toho 21 mpahery mitsoriaka sy fatra-piriaria 22 dia haza mora alaina, tsihifina an-tandroho. 23 lo dobo kely iroana, ka soa dia soa tokoa; 24 ny rano e dia tsara ka manga ny zozoro; 25 ny vonitsiazonafo, dia manga mena soa; 26 miharo eo ny tsara sy ny meva ka manoro. |
Anagrammes | 27 abolidio, 28 Ilay dobo |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |